<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jesosy Kristy Tompo o hianao no antenaiko FFPM586</title>
<lyrics>[V1]
 Jesosy Kristy Tompo ô !
 Hianao no antenaiko ;
 Tsy misy Mpamonjy toa
 Anao,
 Ry Heriko sy Aiko,
 Fa tsy mba misy olona
 Mahafaka ny heloko ;
 Tsy zakakao ny entako,
 Ry Jeso ô !
 Hianao anefa tokiko.

[V2]
 Ny otako dia lehibe,
 Ny foko dia ory !
 Mpamonjy ô, vonjeo re !
 Ny heloko esory,
 Ny Rainao tsara ilazao,
 Fa izaho no navotanao,
 Ka mba havela heloka,
 Dia azoko
 Ny fiadanana ao am-po.

[V3]
 Finoa-marina ao am-po
 No aoka mba homenao,
 Mba hanandramako tokoa
 Ny tsirom-pamonjenao,
 Mba hitiavako Anao
 Sy ireo rahalahinao ;
 Raha avy ny fotoako,
 O, mba vonjeo !
 Ka mba reseo ny rafiko.

[V4]
 Ny saotra, dera, ho Anao,
 Ry Raiko be fiantra,
 Sy ho Anao, ry Kristy ô,
 Mpamonjy ny mahantra,
 Anao, Fanahy Masina !
 Izay tena Mpampionona !
 Izaho mba omeonao
 Ny aim-baovao,
 Haharitra ho olonao.</lyrics>
<hymn_number>586</hymn_number>
</song>